<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>P. Abelard</author>
<lyrics>[V1]
 Hitsangana izao
 Izahay, ry Tompo ô !
 Mba hanompoanay Anao,
 Ampionao izahay.

[V2]
 Ny fahotana be
 Izay vitanay tatý,
 Dia ibebahanay izao,
 Ka mamelà anay.

[V3]
 Ny tsy finoanay
 No nijanonanay
 Tsy nanatonanay Anao
 Izay ela be izay.

[V4]
 Sasao madio izahay,
 Asio fo vaovao
 Ho ao anatinay izao,
 Ry Jeso Avotray !

[V5]
 Inoanay tokoa
 Fa maty Hianao,
 Hisolo olo-meloka
 No nijalianao.

[V6]
 Mba manampia anay
 Hiankina aminao,
 Fa tokinay ny avotrao
 Natao tao Kalvary.</lyrics>
<title>Hitsangana izao 'zahay ry Tompo o FFPM289</title>
<hymn_number>289</hymn_number>
</song>